Wikiversity

Hanova ny rohy
Sarin-tanin' i Afrika

I Afrika dia kôntinenta manana velarana mirefy 30 415 873 km2 miaraka amin' ny nosy manodidina azy, ka izy no kôntinenta fahatelo lehibe indrindra eran-tany raha isaina ho kôntinenta tokana i Amerika. 6 % amin' ny velarana manontoln' ny Tany ny velarany ary 20 % amin' ny velaran' ny tany maina manontolo. Voafaritry ny Ranomasina Mediteranea any avaratra, ny Lakandranon' i Suez sy ny Ranomasina Mena any avaratra-atsinanana, ny Ranomasimbe Indiana any atsinanana ary ny Ranomasimbe Atlantika any andrefana i Afrika. Mahatratra hatramin' ny 1,3 lavitrisa ny mponina ao ka mametraka an' i Afrika ho kôntinenta faharoa eran-tany aorian' i Azia ary ireo mponina ireo dia 17,2 % amin' ny mponina eran-tany tamin' ny taona 2020.

Mamakivaky an' i Afrika eo afovoany ny fehiben-tany ary isan-karazany ny toetany ao aminy: mafana sy mando ny faritra akaiky indrindra ny ny fehiben-tany, trôpikaly kosa ny any amin' ny faritra eo anelanelan' ny fehiben-tany sy ny zana-pehintany tsirairay, mafana sy maina ny manodidina ny zana-pehintany, antonony ny eny amin' ny faritra avo. Miavaka noho ny tsy fahampian' ny rotsak' orana ity kôntinenta ity. Noho ny tsy fisian' ny tahirin-dranomandry sy ny tsy fisian' ny tahirin-drano an-tendrombohitra dia tsy misy fomba hampisy fitsipika mametra voajanahary ny toetany afa-tsy ny fitambaran' ny zavamaniry (indrindra ny ala) sy ny ny ranomasina. 60 % amin' ny velaran' ilay kôntinenta ny tany karankaina, izay manankarena amin' ny lafiny tontolo iainana. Toerana faharoa misy ala mitohy eto an-tany ity kôntinenta ity: ny ala ao amin' ny sahan-dranon' i Congo izany, nefa tandindomin-doza noho ny fitrandrahana tafahoatra, ny fandripahana ala, ny fahatapatapahan' ny faritry ny ala ary ny fihenan' ny isan' ny karazan-javamananaina, vokatry ny asan' ny olombelona, ​izay ​miharatsy koa vokatry ny fiovaovan' ny toetany.

Tamin' ny taona 2020, ny tondro ara-toetany dia nampiseho fisondrotan' ny mari-pana aty Afrika, fisondrotan' ny haavon' ny ranomasina izay mihafaingana, ary ny zava-miseho mahery vaika eo amin' ny toetrandro sy ny toetany mitranga matetika kokoa (ohatra ny tondra-drano sy ny hain-tany ary ny fandravana vokatr' izany). Manambara ihany koa ny fandrahonan' ny fiovana mananontanona sy tsy azo ovaina amin' ny rafitra misy eto amin' ny Tany ny fihakelezana haingan' ny tahirin-dranomandry farany tao Afrika Atsinanana, izay hiempo tanteraka ato ho ato.

Heverina ho toerana nipoiran' ny olombelona voalohany i Afrika, ​​izay nisehoan' ny razamben' ny Olombelona, ​​avy eo, tamin' ny 200 000 taona lasa any ho any, ny olombelona môderina izay niely tany amin' ny faritra sisa hafa amin' ny Tany. Nisehoana fiatoana i Sahara, izay efitra mafana lehibe indrindra eran-tany, ka nitarika fivoarana ara-tantara miavaka maro teo amin' ny faritra avaratra sy atsimo amin' i Afrika. Tamin' ny vanim-potoana lasa dia nivoatra teo amoron' i ony Nily ny sivilizasiônan' i Ejipta taloha, teraka ny sivilizasiona manokan' i Afrika atsimon' i Sahara tany amin' ny faritry ny hivoka; nandray ny kolontsain' ny Fenisiana sy ny an' ny Grika ary ny an' ny Rômana i Afrika Avaratra, izay faritra morontsiraka atsimon' i Mediteranea. Nanomboka tamin' ny taona 3000 tal JK no nisehoan' ny fielezan' ny vahoaka banto tao Afrika. Fihetsehan' ny mponina tao anatin' ny dingana maromaro izany, izay amin' ny ankapobeny, avy any avaratra, manomboka amin' ny faritra be ahitra any Kamerona, mankany atsimo, hatrany amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika, izany dia tratra tamin' ny fiandohan' ny vanim-potoana kristiana. Azo anazavana ny fitsinjaran' ny fiteny sy ny vahoaka ao amin' ny faritra atsimon' i Sahara ankehitriny ny fielezan' ny vahoaka banto.

Niorina taty Afrika tamin' ny taonjato voalohany ny fivavahana kristiana, indrindra tany Afrika Rômana any avaratra amin' ilay kôntinenta, ary avy eo tany Etiôpia. Tamin' ny taonjato faha-7 no niandohan' ny finoana silamo taty Afrika, izay niorina teo amin' ny morontsiraka atsinanana sy tany avaratry amin' ny tapany avaratry ny kôntinenta ka hatrany amin' ny sisiny avaratra amin' ny faritra atsimon' i Sahara. I Afrika Avaratra, niaraka amin' izay koa, dia lasa nanjakan' ny fiteny sy ny kolontsaina arabo. Taty Afrika atsimon' i Sahara, tamin' ny taonjato faha-8 ka hatramin' ny taonjato faha-17, dia nisy empira natanjaka sy nanan-karena nifandimby. Tamin' ny faramparan' io vanim-potoana io, tamin' ny taonjato faha-15, ny Pôrtogey, narahin' ny firenena eorôpeana hafa, dia nanangana fivarotana sy fividianana andevo tany amin' ny morontsiraka andrefana, ny varotra andevon' i Atlantika (atao hoe "raharaham-barotra telolafy"), izay nanampy ny varotra andevo anatiny taty Afrika sy ny fanondranana andevo mankany amin' ny Tontolo Atsinanana izay efa nanjaka teto amin' ny kôntinenta.

Ny taonjato faha-18 dia nanamarika ny fiandohan' ny famantaran-tany natan' ny Eorôpeana, narahin' ny fanjanahantany goavana tao amin' ny kôntinenta teo anelanelan' ny faramparan' ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Nitsahatra ny varotra andevo teo am-piandohan' ny taonjato faha-20, nefa teo ambany fahefan' ny mpanjanaka tanteraka ny ampahany be amin' i Afrika mandra-pahatongan' ny tapaky ny taonjato faha-20, izany dia mamolavola ny sisin-tany sy ny toekaren' ny firenena maro voakasik' izany mandraka ankehitriny.

Nahazo ny fahaleovantenany teo anelanelan' ny faran' ny taompolo 1950 (Tonizia, Marôka, Ganà, sns.) sy ny tapaky ny taompolo 1970 (Angôla, Môzambika, sns.) ny ankamaroan' ny firenena aty Afrika. Nahitana "demôkrasia tsy lavorary" na "fitondrana tsy refesi-mandidy” mihitsy aza i Afrika mahaleo tena ary maro ny ady mitranga. Hatramin' ny nahazoan' i Sodàna Atsimo fahaleovantena tamin' ny taona 2011 dia misy firenena 54 manana ny fiandrianany i Afrika (tsy anisan' izany ny Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika sy i Sômalilandy).

Sarin-tanin' i Afrika maneho ny sainan' ny firenena ao aminy

Ireto ny firenena ao Afrika, raha ampidirina ireo mbola tsy ankatoavin' ny firenena maro: Afrika Atsimo, Alzeria, Angôla, Benîno, Borkina Fasô, Borondy, Bôtsoana, Ejipta, Eritrea, Esoatiny (Soazilandy taloha), Etiôpia, Gabôna, Gambia, Ganà, Ginea, Ginea Bisao, Ginea Ekoatôrialy, Jibotỳ, Kamerona, Kapvera, Kenia, Kômôro, Kôtidivoara, Lesôtô, Liberia, Libia, Madagasikara, Malaoỳ, Malỳ, Maorisy, Maoritania, Marôka, Môzambika, Namibia, Nizera, Nizerià, Oganda, Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika, Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, Repoblikan' i Afrika Afovoany, Repoblikan' i Kôngô, Roanda, Saô Tôme e Prinsipe, Seisely, Senegaly, Siera Leôna, Sodàna, Sodàna Atsimo, Sômalia, Sômalilandy, Tanzania, Tôgô, Tonizia, Tsady, Zambia ary Zimbaboe.

Ny mponina aty Afrika no fatra-pitombo indrindra eto an-tany ary nihatsara ny toe-pahasalamana na dia tsy mandroso haingana raha mitaha amin' ny any amin' ny firenena an-dalam-pandrosoana hafa. Miorina amin' ny fandaminana mifototra amin' ny fianakaviana sy ny maha anisan' ny foko ny tena ny fiarahamonna aty Afrika; misy vondrom-poko manodidina ny arivo ao amin' ity kôntinenta ity, izay misy fahasam-piteny lehibe indrindra eto amin' izao tontolo izao, ahitana fiteny manodidina ny 2 000. Ao anatin' ny toe-javatra maha sarotra ny fitantana ny rahatraha momba ny mponina i Afrika amin' izao fotoana izao noho ity kôntinenta ity izay mbola tsy mandroso ara-toekarena na dia eo aza ny fitomboan' ny toekarena izay matanjaka nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21, izay nahatonga ny fisandratan' ny saranga anelanelany, tsy dia mahavokatra, manana fidiram-bola ambony. Anisan' ny olana amin' ny fitantanana ny mponina ny tsy fananana asa, ny fahampian' ny famatsiam-bola ho an' ny fampianarana.

Ara-toekarena dia nitohy hatramin' ny Andro Taloha ny varotra ifanaovan' ny samy kôntinenta, ary tamin' ny vanim-potoan' ny empira lehibe dia ity kôntinenta ity no mpamatsy volamena ny Tandrefana sy Tatsinanana. Taty aoriana, ny fanjanahantany dia nitarika ho amin' ny fampisahanana sehatra ara-toekarena manokana ho an' ny mpanjanaka izay saika lasa tsy nitodika afa-tsy any ivelany, natokana ho an' ny fanondranana akora fanodina (mineraly sy vokatry ny fambolena) ho any amin' ny renivohitry ny firenena mpanjanaka. Satria mbola manana tahirin-tsolitany sy harena an-kibon' ny tany lehibe i Afrika dia mbola mitohy io toe-javatra io amin' izao taonjato faha-21 izao, ka vokatr' izany dia mbola mitohy koa ny fisian' ny "firenena mpampanofa" sy ny ôligarsia maro izay maka ny vola miditra izay manimba ny tombontsoan' ny mponina izay mijanona ho mahantra. Kely dia kely ny toeran' i Afrika eo amin' ny fanatontoloana ara-toekarena ankehitriny, tsy toy ny tamin' ny taonjato maro lasa. Na izany aza dia nanomboka fiovana ara-toekarena nandritra ny vanim-potoana farany ny firenena sasany noho ny toekarena lasa ahitana sehatr' asa maro samihafa sy noho ny fivoaran' ny seha-pihariana faharoa ary ny "fitomboana tsy manilika".

Tantara

Tao Afrika no nipoiran' ny karazan' olombelona homo sapiens.

Talohan' ny Tantara

Fahaterahan' ny olombelona

Lucy, taolana Australopithecus afarensis, hita tamin' ny 24 Nôvambra 1974 tao amin' ny Lohasahan' i Awash, tao amin' ny Debok' i Afar any Etiôpia.

I Afrika no heverina ho "fandrian-jazan' ny olombelona", ​​izay nisehoan' ny voalohany olombelona ary avy eo ny hany karazana misy azy mbola velona ankehitriny: ny Homo sapiens. Nandritra ny taonjato faha-20, ny paleôantrôpôlôga dia nahita fôsily marobe sy fanorenam-ponenan' porofon' ny hôminide mpialoha lalana ny olombelona, ​​tamin' ny 7 tapitrisa taona talohan' ny ankehitriny ho an' ny karazana Sahelanthropus tchadensis (fôsily Toumaï), 6 tapitrisa taona ho an' ny Orrorin tugenensis, 4 tapitrisa taona ho an' ny fôsilin' ny Ardi an' ny karazana Ardipithecus ramidus, 3,9 hatramin' ny 3,0 tapitrisa taona ho an' ny Australopithecus afarensis, 2,3 ka hatramin' ny 1,4 tapitrisa taona talohan' ny ankehitriny ho an' ny Paranthropus boisei ary eo amin' ny 1,9 tapitrisa ka hatramin' ny 600 000 taona eo ho eo ho an' ny Homo ergaster.

Taorian' ny fivoaran' ny Homo sapiens, manodidina ny 200 000 ka hatramin' ny 100 000 taona lasa izay, i Afrika nonenana vondrona mpihaza sy mpioty indrindra . Araka ny teôria momba ny "fiaviana afrikanan' ny olombelona môderna” (Out of Africa, midika hoe "Mivoaka an' i Afrika"), ireo olombelona môderina voalohany ireo dia nandao an' i Afrika ary nipetraka teo amin' ny faritra hafa teo anelanelan' ny 80 000 sy 50 000 taona talohan' ny androntsika. Nandao an' ilay kôntinenta izy ireo tamin' ny fiampita ny Ranomasina Mena tamin’ ny alalan’ i Bab-el-Mandeb sy ny andilan-dranomasin' i Gibraltar ary ny andilan-tanin' i Suez.

Ny fifindrà-monina hafa nataion' ireo olombelona môderina ireo, ao anatin' i Afrika, dia tamin' ny vanim-potoana mitovy amin' ny voalaza etsy aloha, miaraka amin' ny soritra fiorenam-ponenana tany am-boalohany tany amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika sy tany Afrika Avaratra ary tao Sahara.

Fivoarana ara-toetanin' i Sahara

Niovaova be ny haben' ny Sahara rehefa nandeha ny fotoana, noho ny toetry ny toetany. Tamin' ny faran' ny fandrakofan-dranomadry ny ampahany be amin' ny kôntinenta rehetra, izay nitranga tany amin' ny 8500 tal JK dia lasa tany anirian-java-maitso sy lonaka indray i Sahara. Hita ao Tassili n'Ajjer, ny sary hosodoko amin' ny zohy, tamin' ny taona 8000 tal JK, izay maneho an' i Sahara lonaka sy nisy mponina betsaka. Taty aoriana, ny hafanana sy ny fihamainan' ny toetany, manodidina ny taona 5000 tal JK, dia mahatonga an' i Sahara ho lasa mafana sy sarotra iainana. Nandritra ny evôlisiôna izay naharitra hatramin' ny 3900 tal JK, i Sahara dia nihanajary tany efitra. Nitranga ny fiharatsian' ny toetany, ka nihena ny rotsak' orana aty Afrika Atsinanana sy Afrika Afovoany. Nanomboka teo dia nanjaka taty Afrika Atsinanana ny fahamainana. Nitana anjara toerana lehibe amin' ny fizarazaràna ara-jeôgrafika ny ampahany be amin' i Afrika i Sahara. Nampihena ny habetsaky ny tany azo onenana izany ary niteraka fifindra-monin' ny mponina mpamboly mankany amin' ny faritra manana toetany mafana kokoa any Afrika Andrefana sy mankany amin' ny Lohasahan' i Nily, eo ambanin' ny Katarakta Faharoa, izay nisy toeram-ponenana maharitra na somary maharitra. Io fifindra-monina io dia nahatonga ny fipoiran' ny fiarahamonina saro-drafitra sy voalamina tsara nandritra ny taonarivo faha-4 tal JK, araka ny asehon' ny toerana ao Nabta Playa. Sakana amin' ny fivezivezena avaratra-atsimo ity fahatapahana ara-toetany ity. Ny Lohasahan' i Nily no lasa lalan-tsara ifamoivoizana indrindra ary i Ejipta dia nanaraka dingam-pandrosoana miavaka amin' ny faritra hafa aty Afrika,

Famolahana ny biby hompina voalohany sy fambolena

Ny famolahana voalohahy ny biby hompina taty Afrika dia nialoha ny fambolena ary niara-nisy amin' ny kolontsaina mpihaza sy mpioty; ny omby, ohatra, dia nompina nanomboka tamin' ny taona 7500 ka hatramin' ny 6000 tal JK tany Afrika Avaratra. Aany amin' ny faritra nilô-sahariana dia biby maro no nompina, anisan' izany ny ampondra. Ny fambolena dia niseho tamin' ny alalan' ny dingana sarotra sy marolafy manodidina ny taona 6000 tal JK. Voalohany indrindra dia nisy ny fandraisan' i Ejipta ny zavamaniry avy any Azia Atsimo-Andrefana; avy eo, manodidina ny taona 2000 tal. JK, dia fambolena teratany no natao miaraka amin' ny famolahana ny ampembimbazaha, ny vary afrikana, ny iniamy ary ny ampemby mba hovolena.

Fandaminana ny toeram-ponenan' ny olona

Niorina talohan' ny vanim-potoana ara-tantara ny vondrona ara-pôlitika malaza. Ohatra, ny toerana misy an' i Nabta Playa, andrefan' ny ony Nily, any amin' ny tany efitr' i Nobia, dia nisy mponina, na tsy mitohy mandavan-taona aza, nanomboka tamin' ny taonarivo faha-9 tal JK hatramin' ny taonarivo voalohany tal JK. Ny deboka nisy azy, tamin' izany fotoana izany, dia voatondraka sy lonaka kokoa noho ny amin' izao. Io toerana io dia nahtana megalita maro izay nampiasaina amin' ny haikintana, nanomboka amin' ny taona 6000 ka hatramin' ny 6500 tal JK. Ny mponina, izay niompy, dia nampiseho mariky ny fandaminana avo lenta, mihoatra noho ny an' i Ejipta tamin' izany fotoana izany. Ohatra amin' izany ny fanorenan-trano sy zavatra hafa amin' ny vato, ambony sy ambanin' ny tany, tanàna madinika naorina araka ny drafitra vosoritra mialoha sy lavadrano lalina, afaka mitahiry rano mandritra ny taona ary ny fahalalana ara-kaikintana indrindraindrindra izay ilaina amin' ny fananganana megalita.

Fotoana fohy taty aoriana, niaraka amin' i Nabta Playa teo anelanelan' ny -3 800 sy -3 000 taona lasa izay, ny kolontsaina Nagada (vanim-potoana talohan' ny fitondra ifandimbiasan' ny tarana-mpanjaka tao Ejipta) no nisian' ny hierôglifa voalohany tao Abydos. Ny takela-tanimangan' i Abydos dia manamarina ny fisian' ny fandaminana ara-pôlitika mamorona fanjakà-mpanjaka; ireo takela-tanimanga ireo dia miresaka momba ny mpanjaka Maingoka I izay nanjaka tany amin' ny taona 3200 tal JK amin' i Ejipta manontolo, ary na dia tany ivelany aza.

Fisehoan' ny asa vy voalohany sy ny fielezan' izany

Sivilizasiôna tamin' ny Andro Taloha

Empiran'i GhanaSivilizasiona KartazinianinaFanjakan'i AksomaFanjakan'i KosoSivilizasiona NokHaifomban'i NagadaFotoana ejipsiana nialohan'ny dinastiaEjipta talohamg.wikipedia.org/..

Tamin'ny Andro Taloha, ireo fanjakana fanta-daza sy namela lova an-tsoratra dia ny Fanjakan' i Ejipta, ny Fanjakan' i Koso, i Meroe, ny Fanjakan' i Aksoma, i Kartajy ary i Zimbaboe Lehibe.

Faritra nilôtika sy sivilizasiôna voalohany taty atsimon' i Sahara

Fielezan' ny Banto

Afrika Avaratra

Tao Ejipta no nipoiran'ny tantara an-tsoratra tao Afrika. Ny tetiandro nampiasain' ny Ejipsiana tamin'izany fotoana izany dia natao hamantarana ny fotoana nisian' ny kolontsain' ny Andron'ny Varahina sy ny Andron'ny Vy tao amin' ilay faritra. Tamin' ny taona 1567 tal. J.K. hatramin' ny taona 1080 tal. J.K. no nena nirapiratan' ny sivilizasiôna ejipsiana.

Nanangana seranam-pifanakalozana ny Fenisianina manodidina ny Ranomasina Mediteranea talohan'ny taona 1000 tal. J.K.. Nanangana an'i Kartazy (na Kartago) tamin'ny -814 izy ireo.

Any atsinanana indray dia nanangana an'i Sirena (na Kirena) ny grika tamin'ny taona -631. Na dia mitoka-monina noho ny tanimaty manodidina azy aza ilay tanàna dia tena nanan-karena ny Sirenaika (na Kirenaika, tany manodidin' i Sirena).

Nanana hery mitarika goavana tao Ejipta ny Grika tamin' izany fotoana izany. Lazaina fa i Aleksandra Lehibe no namorona an' i Aleksandria ary ny dinastia ptôlemaika ary namela antontan-taratasy mikasika an' i Etiôpia ho lova.

Na izany aza, nandresy ireo hery telon'i Afrika Avaratra ny romana: i Sirenaika, i Ejipta ary i Kartazy. Latsaka tamin'ny 146 tal. J.K. i Kartazy rehefa niady nandritry ny taonjato maro. Nitontongana fotoana kely taoriany ireo fahefana roa hafa. Tonga hatrany Nobia any Etiopia ny Rômanina mba hitady ny loharanon'i Nily, fa tsy nahomby izy ireo. Ny asa soratr' i Ptôlemeo dia nahafantarana ny halehiben' ny tontolo fantatry ny Rômana (na mivantana na amin'ny alalan'ny filazan'ny olona). Izy ireo dia miresaka momba ny Farihy Lehibe, seranam-pifanakalozana manaraka ny morontsiraky ny Ranomasimbe Indianina hatrany Rhapta any Tanzania ary koa ny ony Niger.

Namarana ny fisian' ny sivilizasiôna klasika tao Afrika Avaratra ny fanafihan' ny Vandala tamin' ny taonjato faha-5. Nanangana fanjakana iray manana an' i Kartazy ho renivohitra izy ireo tamin' ny taona 429. Lavo tamin' ny andron' ny Empira Bizantina ilay fanjakana tamin' ny taona 533.

Fampidirana ny kristianisma

Araka ny lovantsofina dia nitondra ny kristianisma tao Aleksandria tamin' ny taona 60 i Masindahy Marka, ary lasa eveka voalohany tao. Ny Fiangonan' i Jerosalema no mety nandefa misiônera tao, tamin' ny taona 200 tany ho any. Tanan' ny fiangonana mampiasa ny teny grika i Aleksandria. Tamin' ny taona 325 dia 51 no isan' ny episkôpata tao Ejipta ary niely tamin' ny teny kôpta ny Baiboly. Tamin' ny taona 400 dia Kristianina ny 90 % amin' ny mponina tao Ejipta.

Sivilizasiôna tamin'ny Andro Taloha taty atsimon' i Sahara

Empira

Fakan-tany nataon' ny Arabo tao Afrika Avaratra

Ao atsimon' i Sahel

Fisadratana berbera-mozilmana

Varotra andevo tato Afrika sy ny varotra andevo nataon' ny Arabo

Empira telo lehibe

Varotra andevo manerana an' i Atlantika

Fanjanahantany

Fanafoanana sy famaranana ny varotra andevo

Famantarana ny zava-misy any anaty tany

Fanjakazakan' ny mpanjanatany

Fizakantena ara-pôlitika sy fahaleovantena

Afrika ankehitriny

Ady

Fitroarana jihadista

Taonjato faha-7 hatramin'ny taonjato faha-16

Afrika Andrefana

Haingo varahina tamin' ny taonjato faha-9 avy amin' ny Igbo-Ukwu

Ny isan' ny fitondrana an-toerana tao Afrika talohan' ny fanjanahan-tany dia heverina fa any amin' ny 10 000 any ho any. Izy ireo dia samy manana ny firafitra ara-politikany. Anisan'ny fanjakana lehibe namela lova ny Fanjakan' i Akàna, ny an' i Edo, ny an' i Iôroba ary ny an' i Igbô tao Afrika Andrefana. Ny tao Afrika Atsinanana indray dia nisy ireo fanjakana soahily teo amin' ny morontsiraka atsinanana.

Tamin' ny taonjato faha-9 dia nisy ireo fanjakana mampandova fahefana toa ny fanjakana madinika Haosà, izay nivelatra eran' ny tany rakotra bozaka ao Afrika Andrefana (avy eo amin'ny tany misy an' i Malỳ ankehitriny hatrany atsimon' i Sodàna). Misy ihany koa ireo fanjakana toa ny Fanjakan' i Ganà, ny an' i Gao, na ny Empiran' i Kanem-Bôrno. Lavo tamin' ny taonjato faha-11 i Ganà. Nandimby azy ny Empiran' i Malỳ, izay avy ao andrefan' i Sodàna ankehitriny hatrao Senegaly. Nanaiky ny finoana silamo tamin' ny taonjato faha-11 ny Kanema.

Mpiady ambony soavalin'i Bagirmi

Amin' ny faritra feno alan' i Afrika Atsinanana, dia nivoatra tany ivelan'ny faritra nielezan'ny finoana silamo ny fanjakana mahaleotena. Niorina tamin' ny taonjato faha-9 ny Fanjakan' i Nri ary anisan' ny voalohany. Izy io dia entin' i Eze Nri ary anisan'ny fanjakana antitra indrindra ao Nizeria ankehitriny. Malaza amin' ny fahaizany mandrafitra varahina izay hita ao amin' ny tanànan' i Igbo-Ukwu ny fanjakan'i Nri. Heverina fa namboarina tamin' ny taonjato faha-9 ireny zavakanto varahina ireny.

Ny Fanjakan' i Ife izay anisan'ny tanàna fanjakana iôroba voalohany, dia nanangana governemanta entin' ombiasy oba ("mpitondra" amin' ny teny iôroba) izay antsoina hoe Ooni an' i Ife. Malaza amin' ny maha-ivontoerana ara-kolontsaina sy ara-pinoana lehibe ao Afrika Andrefana sy ho an'ny sary sokitra varahina i Ife.

Nampifanarahina tamin' ny fomba fitondram-panjakan' ny Ôiô ny rafi-pitondra-mpanjakan' i Ife. Ny mpanjakany ("oba") izay antsoina hoe Alaafin an' i Ôiô dia nandrindra tanàna fanjakana maro na iôroba na tsy iôroba. Anisan' ny fanjakana tsy iôroba fehezin' ny Ôiô ny Fanjakana Fôna an' i Dahômey.

Jeôgrafia

I Afrika jerena avy eny amin' ny habakabaka

Ny velarantany manontolon' i Afrika dia 30 415 873 km2 izay mahatonga azy ho kôntinenta faharoa lehibe indrindra. 8 000 km ny halaviran' i Cap des Aiguilles (ao Afrika Atsimo) amin' i Ras Ben Sakka (ao Tonizia), ary 7 000 km ny halaviran' i Ras Hafun (ao Sômalia) amin' ny nosin'i Cabo Verde. Ny toerana avo indrindra ao Afrika dia ny tampon' ny tendrombohitra Kilimandjaro izay manana haavo 5 895 m. I Aljeria no firenena lehibe indrindra ao Afrika ary i Nizeria no firenena be mponina indrindra.

Toetany

Sarin-tany maneho ny toetany aty Afrika

Maro samihafa ny toetany hita ao Afrika. Ny faritra avaratra sy atsimo dia manana ny toetany mediteraneanina. Toetanim-pehibe ny toetanin' i Afrika Afovoany ary toetanin-tany efitra no ananan' ny faritra akaikin' ny zana-pehintanin' ny Asorotany sy Adijady.

Jeôpôlitika

Ny firenena mivelatra indrindra any Afrika dia ny Sodàna manana velarana 2,50 tapitrisa km2. Ary ny firenena kely indrindra dia ny tambanosin' i Seisela izay 1 300 km any avaratr' i Madagasikara.

Fizaràm-paritra ao Afrika

Ny faritra aty Afrika araka ny famaritan' ny Firenena Mikambana

Azo tsinjaraina amin' ny faritra dimy ny firenena ao Afrika. Misy firenena sasany izay voasokajy anaty faritra roa na telo.

Afrika Avaratra

I Afrika Avaratra dia ny tapany avaratr'i Afrika izay mamondrona ireo firenena manana morontsiraka amin'ny ranomasina Mediteranea. Ireto avy ny firenena heverina fa isan'i Afrika Avaratra: i Ejipta, i Libia, i Tonizia, i Aljeria, i Marôka, i Sahara Andrefana ary i Maoritania.

Afrika Andrefana

I Afrika Andrefana dia faritra ao Afrika izay mahafaoka ny ampahany andrefana amin' i Afrika atsimon'i Sahara. Ireto avy ny firenena heverina fa isan' i Afrika Andrefana: I Benîno, i Borkina Fasô, i Kapvera, i Kôtidivoara, i Gambia, i Ganà, i Ginea, i Ginea Bisao, i Liberia, i Maly, i Maoritania, i Nizera, i Nizerià, i Senegaly, i Siera Leôna ary i Tôgô.

Afrika Atsinanana

I Afrika Atsinanana dia mahafaoka firenana afrikana maromaro ao amin'ny tapany atsinanan' i Afrika, izay matetika manondro ireo firenena ao amin' ny Lohasahan' ny Hantsana Lehibe. Ireto avy ny firenena sy fanjakana heverina fa isan'i Afrika Atsinanana: i Eritrea, i Etiôpia, i Jiboty, i Somalia, i Sodàna Atsimo, i Kenia, i Oganda, i Tanzania, i Roanda, i Borondy, i Seisely, i Kômôro sy i Maiôty, i Maorisy, La Réunion, i Madagasikara, i Malaoy ary i Môzambika.

Faritra Atsimo ao Afrika

Ny Faritra Atsimo ao Afrika dia ny tapan' i Afrika ao atsimo izay fitambaran' ny firenana sy tany ao atsimon' ny alam-pehibe afrikana. Ireto avy ny firenena heverina fa ao amin' ny Faritra atsimo ao Afrika: i Afrika Atsimo, i Angôla, i Bôtsoana, i Kômôro, i Esoatiny (na Soazilandy teo aloha), i Lezôtô, i Madagasikara, i Malaoy, i Maorisy, i Môzambika, i Namibia, i Zambia, ary i Zimbaboe.

Afrika Afovoany

I Afrika Afovoany dia ahitana ny tapany atsimon' i Sahara sy ny tapany atsinanan' ny Ampinga andrefana afrikana ary ny lohasahan' ny Hantsana Lehibe. Ireto avy ny firenena heverina fa anisan' i Afrika Afovoany: i Angôla, i Kamerona, i Gabôna, i Ginea Ekoatôrialy, ny Repoblikan' i Afrika Afovoany, ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ny Repoblikan' i Kôngô, i Saô Tôme e Prinsipe, i Tsady, i Malaoy, i Zambia, i Zimbaboe, i Borondy ary i Roanda.

Vahoaka sy kolontsaina

Fiteny

Fianakaviam-piteny aty Afrika

Ny fiteny tenenin' ny mponin' i Afrika dia tombanana ho 2 000 any ho any, izay tenenin' ny olona miisa iray lavitrisa any ho any, nefa ireo fiteny be mpampiasa dia vitsy sady maro amin' izy ireo no endri-piteny isam-paritra (fitenim-paritra). Ny 50 eo ho eo ihany no misy mpiteny mihoatra iray tapitrisa. Akoatry ny fitenin' ny mpanjana-tany (toy ny fiteny anglisy, ny fiteny frantsay, ny fiteny espaniôla, ny fiteny pôrtogey, sns), maro dia maro ny fiteny afrikana voasokajy ho fianakaviam-piteny dimy: ny fiteny afrô-aziatika (na hamitô-semitika), ny fiteny nilô-sahariana, ny fiteny nizerô-kôngôley, ny fiteny kôizana ary ny fiteny aostrôneziana.

Ny fiteny hamitô-semitika

Ny fiteny hamitô-semitika (afrô-aziatika) tenenina ao Afrika dia fianakaviam-piteny tenenina indrindra ao Afrika Avaratra, ao amin' ny Tandrok' i Afrika, ao amin' ny faritr' i Sahara ary ao amin' ny ampahany amin' ny faritr' i Sahel.

Ny fiteny nilô-sahariana

Ny fiteny nilô-sahariana dia fianakaviam-piteny ao Afrika atsimon' i Sahara, ao amin' ny faritr' i Nily Ambony sy ny an' i Sahara-Ambony izay mahafaoka an' i Nobia. Misy fiteny miisa 200 any ho any ao amin' io fianakaviam-piteny io izay tenenin' ny olona miisa 31 000 000 any ho any. Ny fiteny nilô-sahariana dia tenenina ao amin' ny faritra tsy mitohy avy any amin' ny fivarin' ny ony Niger ao Afrika Andrefana hatrany Etiôpia, mandalo ny lohasaha ambonin' ny renirano Nily ary mandalo amin' ny faritra sasany ao atsimon' i Oganda sy Kenia. Tenenina ao avaratr' i Tsady sy Sodàna ary ao avaratry ny Repoblikan'i Kôngô koa ireo fiteny ireo.

Ny fiteny nizerô-kôngôley

Ny fiteny nizerô-kôngôley na fiteny nizer-kôngô dia vondrom-pianakaviam-piteny afrikana maro mpiteny indrindra sady miparitaka amim-beleran-tany midadasika indrindra. Ny ankamaroan' ny fiteny afrikana dia ao amin' io fianakaviam-piteny io, izay ahitana fiteny miisa 1 525, izany hoe 21 %n' ny fiteny maneran-tany, ka izy no mitana ny laharana voalohany raha ny isan' ny fiteny ao aminy no heverina. Olona miisa 459 000 000 any ho any no miteny nizerô-kôngôley, izany hoe ny 7 %n' ny mponina maneran-tany, ka ny antsasaky ny isan' ireo fiteny ireo dia tenenin' ny olona miisa tsy latsaky ny 29 000 isaky ny fiteny avy. Isan' ny fiteny nizerô-kôngôley, ohatra, ny fiteny iôroba sy ny fiteny igbo sy ny fiteny oôlôfo ary ny fiteny soahily.

Ny fiteny kôisàna

Ny fiteny kôisàna dia vondrom-piteny tenenin' ny vahoaka kôikôy (na hôihôy) sy ny vahoaka sàna ao amin' ny faritra atsimo ao Afrika, indrindra ao Bôtsoana, ao Namibia, ao amin' ny faritanin' i Noord-Kaap ao Afrika Atsimo, ary ao amin' ny tapany atsimon' i Angôla. Tsy fianakaviam-piteny tokana ireo fiteny kôisàna ireo nefa azo zaraina ho fianakaviam-piteny telo miavaka tsara, afa-tsy ny fiteny hadza sy ny fiteny sandaoe heverina fa fiteny manirery. Ny fiteny kôisàna be mpiteny indrindra dia ny fiteny kôikôy (na fiteny hôihôy), fitenin' ny foko nama, izay isan' ireo foko lehibe ao Namibia.

Ny fiteny aostrôneziana

Ny fiteny aostrôneziana dia tenenina, indrindra eto Madagasikara (ny fiteny malagasy izay miseho amin' ny fitenim-paritra maro), any Maiôty (ny fiteny kibosy), ary ao La Réunon sy ao Kômôro.

Ny fitenin' ny mpanjana-tany

Ny fakan-tany nataon' ny mpanjana-tany dia nifanindran-dalana tamin' ny fidiran' ny fiteny eorôpeana izay lasa fiteny ifaneraseran' ny maro ankehitriny, indrindra ny fiteny frantsay sy ny fiteny anglisy. Re ao koa ny ny fiteny pôrtogey, ny fiteny alemàna, ny fiteny espaniôla ary ny fiteny italiana. Nahaforona fiteny vaovao ireo mpiavy eorôpeana tao Afrika Atsimo, dia ny fiteny afrikansa.

Ny fiteny arabo koa dia azo heverina ho fitenin' ny mpanjanaka ao amin' ny faritr' i Zanguebar (Afrika Atsinanana) izay nampidiran' ny Empira Ômaney sy nandidiany ny olona mba hampiasa azy sy hiova finoana ho amin' ny fivavahana silamo.

Fivavahana

Fitsinjarana isam-pirenena ny fivavahana be mpanaraka indrindra aty Afrika, tamin' ny taona 2000.

Maro isan-karazany ny fivavahana aty Afrika, ka ny be mpanaraka indribdra dia ny fivavahan-drazana afrikana, ny fivavahana kristiana ary ny fiavavahana silamo. Tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-21 dia ny kristianisma sy ny fivavahana silamo no fivavahana lehibe indrindra aty Afrika. Ny mpanaraka ny fivavahan-drazana dia 12 %n' ny mponina aty Afrika, 45 %n' kosa ny Kristiana ary 40 % ny Mozilmàna.

Ny fivavahan-drazana afrikana

Ny fivavahan-drazana afrikana dia mahalana no manjaka ao amin' ny firenena iray nefa hita manerana an' i Afrika atsimon' i Saharà, ka miara-misy amin' ny kristianisma sy ny fivavahana silamo sady matetika miteraka fifangaroam-pivavahana (sinkretisma). Ny finoana ny fisian' ny fiainana aorian' ny fahafatesana sy ny fisian' ny tontolon' ny fanahy ary ny fivavahana amin' ny razana dia isan' ireo singa fototra mamaritra ny fivavahan-drazana afrikana.

Ankehitriny, ny mpanaraka ny fivavahan-drazana afrikana dia hita amin' ny firenena miisa 43 aty Afrika, ka tombanana eo anelanelan' ny 100 000 000 sy 200 000 000 ny mpino ao aminy, ka 70 %n' ny mpanaraka ny fivavahan-drazana maneran-tany izany, ary 12 %n' ny mponina aty Afrika.

Ny kristianisma

Tafaorina aty Afrika tamin' ny taonjato voalohany ny fivavahana kristiana, indrindra tao Afrika Avaratra nofehezin' ny Rômana, ka tsy namela toerana ho an' ny silamo izany raha tsy tamin' ny taonjato faha-7.

Tamin' ny taona 1910 dia ny 1 %n' ny Kristiana no hita taty Afrika, tamin' ny taona 2010 dia nahatratra ny 23 % izany. Vitsy anisa ny Kristiana any Afrika Avaratra ha fivavahan' ny maro anisa kosa izy aty Afrika atsimon' i Saharà (63 %, raha 30 % ny Mozilmana). Ny isan' ny Kristiana aty Afrika no mahery mitombo indrindra maneran-tany tamin' ity taonjato faha-21 ity, vokatry ny fielezan' ny kristianisma evanjelika sy ireo fiangonana teratany afrikana, izay 36 %n' ny mponina aty Afrika atsimon' i Saharà, ka Katôlika ny 21 % amin' izany.

Ny fivavahana silamo

Ny silamo dia niorina tamin' ny morontsiraka atsinanan' i Afrika sy tao amin' ny tapany avaratr' ity kôntinenta ity, ary tamin' ny morony avaratry ny faritra atsimon' i Saharà. Manjaka manerana an' i Afrika Avaratra ny fivavahana silamo, ary saika manjaka tokana ao Afrika Andrefana (izay ahitana koa ny animisma), ary ampahany ao Afrika Afovoany (any Tsady) ary ahitana Mozilmàna vitsy ny aty Afrika tapany Atsimo.

Ny 45 %n' ny vahoaka afrikana dia Mozilmana, izany hoe 1/3n' ny Mozilmana maneran-tany. Any Afrika Avaratra no ahitana ny 98 %n' ny Mozilmana, fa manodidina ny 30 % izany aty Afrika atsimon' i Saharà. Ny ankamaroan' ny Mozilmana aty Afrika dia Sonita. Ao Tanzania sy ao Nizerià no ahitana Siita vitsy anisa.

Fivavahana hafa

Ahitana mpanaraka ny jodaisma vitsy anisa ny ao Afrika Atsimo, izay ahitana Jiosy miisa 70 000 any ho any, ka Askenazy avy any Eorôpa ny ankamaroany. Ny vahoaka sasany toy ny Lemba ao Afrika Atsimo, ny Abaiodaia any Oganda sy ny Jiosy Igbô ao Nizerià dia mitaky ny hiheverana azy ireo ho isan' ny jodaisma. Ny Beta Israely, izay efa nisy tao Etiôpia tamin' ny fotoana nanjakan' ny mpanjaka Sôlômôna sy ny mpanjakavavin' i Saba, dia betsaka nifindra monina any Israely tamin' ny taona 1984 sy tamin' ny taona 1991.

Jereo koa

Momba an' i Afrika

Kôntinenta sy faritra hafa

Azo anovozan-kevitra

Boky amin' ny teny anglisy

  • Asante, Molefi (2007). The History of Africa. USA: Routledge. ISBN 0-415-77139-0.
  • Clark, J. Desmond (1970). The Prehistory of Africa. London: Thames and Hudson. ISBN 978-0-500-02069-2.
  • Crowder, Michael (1978). The Story of Nigeria. London: Faber. ISBN 978-0-571-04947-9.
  • Davidson, Basil (1966). The African Past: Chronicles from Antiquity to Modern Times. Harmondsworth: Penguin. OCLC 2016817.
  • Gordon, April A.; Donald L. Gordon (1996). Understanding Contemporary Africa. Boulder: Lynne Rienner Publishers. ISBN 978-1-55587-547-3.
  • Khapoya, Vincent B. (1998). The African experience: an introduction. Upper Saddle River, NJ: Prentice Hall. ISBN 978-0-13-745852-3.
  • Moore, Clark D., sy Ann Dunbar (1968). Africa Yesterday and Today, in series, The George School Readings on Developing Lands. New York: Praeger Publishers.
  • Naipaul, V. S.. The Masque of Africa: Glimpses of African Belief. Picador, 2010. ISBN 978-0-330-47205-0

Boky amin'ny teny frantsay

  • Guy Ankerl, Urbanisation rapide en Afrique Tropicale, Berger-Levrault, Paris-Abidjan, 1987, (ISBN 978-2-7013-0673-5)
  • Georges Balandier, Sociologie actuelle de l'Afrique noire. Dynamique des changements sociaux en Afrique centrale, PUF, Paris, 1984 (1re éd. 1955)
  • Frédérique Briard, Tiken Jah Fakoly - L'Afrique ne pleure plus, elle parle., Les arènes, 2008
  • Sylvie Brunel :
    • Asie, Afrique : grenier vides, greniers pleins, Economica, « Économie agricole », 1986
    • L'Afrique. Un continent en réserve de développement, Bréal, 2004, (ISBN 978-2-84291-866-8)
    • L'Afrique dans la mondialisation, La documentation photographique, no 8048, La documentation française, 2005
  • Mongo Beti, Main basse sur le Cameroun. Autopsie d'une décolonisation, La Découverte, 2003 (1re éd. 1972)
  • Catherine Coquery-Vidrovitch, Les Africaines : histoire des femmes d'Afrique noire du XIXe au XXe siècle, Desjonquères, 1994
  • Cheikh Anta Diop :
    • Nations nègres et culture, Présence Africaine, 1954
    • L'unité culturelle de l'Afrique noire, Présence Africaine, 1960
    • L'Afrique noire précoloniale, Présence Africaine, 1960
    • Civilisation ou Barbarie, Présence Africaine, 1981
  • Joseph Ki-Zerbo, Histoire de l'Afrique noire, Hatier, 1978
  • Camara Laye, L'enfant noir, 1953
  • Tidiane N'Diaye :
  • Jacques Nougier, Carnet d'afriques, L'Harmattan, 2006, 160 pages, (ISBN 2-296-01569-7)
  • Théophile Obenga, Les Bantu, langues, peuples, civilisations, Présence Africaine, 1985
  • François-Xavier Verschave :
    • Françafrique : Le plus long scandale de la République, Stock, 1998
    • Négrophobie, les arènes, 2005
  • René Dumont :
    • L'Afrique noire est mal partie, 1962
    • Pour l'Afrique, j'accuse, 1986

Rohy ivelany