Clinfowiki

Hanova ny rohy
Jiro mandeha amin' ny plasma

Ny plasma dia karazana etona foronina iôna amin' ny ampahany na manontolo. Io no toetra fahefatry ny matiera aorian' ny vainga sy ny ranoka ary ny etona. Misy eto an-tany amin' ny toetrany voajanahary izy io, matetika amin' ny mari-pana ambony izay manamora ny fiovana ho iôna, izany dia midika fialan' ny elektrôna avy amin' ny atôma.

Na dia manevanevana araka aratra amin' ny ankapobeny aza ny plasma dia ahitana elektrôna sy iôna mahatonga azy ho mora andairan' ny asan' ny sahan' aratra sy ny sahan' andriamby ary ny saha elektrômanetika. Ny ohatra mahazatra indrindra amin' ny plasmas eto an-tany dia ny lelafo manana hafanana ambony dia ambony sy ny varatra. Ny masoandro dia bolana plasma.

Jereo koa