Sample identifiers and metadata to support data management and reuse in multidisciplinary ecosystem sciences

Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 97 683 amin’ny teny malagasy

Takelak’ity volana ity

Ao amin' ny tranoben' ny 120 Collins Street any Melbourne, Aostralia ny foibe aostralian' ny Rio Tinto.

Ny Rio Tinto dia vondron' orinasa mpitrandraka harena an-kibon' ny tany anglô-aostraliana misandrahaka maneran-tany, izay miorina indrindra ao Aostralia sady manana foibe roa (any Melbourn sy any Lôndona) sy ao Amerika Avaratra. Io vondrona io dia hita ihany koa amin' ny firenena maro amin' ny Kôntinenta dimy, nefa ny ampahany be amin' ny fitrandrahany dia ao Aostralia sy ao Kanada.

Ny fananany dia mitentina 81 lavitrisa dôlara, izay azy amin' ny alalan' ny tambajotran' orinasa sy sampana maro[1]. Hatramin' ny nividiany ny Alcan sy ny famoronana ny Rio Tinto Alcan, ny fitrandrahana ny viraty (na alominiôma) no lehibe indrindra amin' ny anton' asa sahaniny: niteraka 40 % amin' ny varotra nataony tamin' ny taona 2008 izany[2].

Ny fitrandrahana ny vy kosa dia 28 % amin' ny varotra ataony, ary ny Rio Tinto, niaraka tamin' ny orinasa BHP Billiton sy ny orinasa Vale, dia iray amin' ny vondrona telo izay manjaka amin' ny tsena maneran-tany amin' ny fitrandrahana sy fivarotana io akora io. Isan' ny asa sahaniny amin' ny sehatra hafa iasan' ilay vondrona ny arina sy ny varahina.

Sampan' ny Rio Tinto ny QIT-Fer et Titane izay manana zana-tsampana hafa ka ny eto Madagasikara dia ny QIT Madagascar Minerals (QMM) izay miorina ao Tôlagnaro (Fort-Dauphin) sady mitrandraka ilmenita na "fasi-mainty".

Ny orinasa dia naorina tamin' ny 1873, rehefa nisy fikambanana iraisam-pirenenan' ny mpampiasa vola niforona mba hividy ny toeram-pitrandrahan' i Rio Tinto izay an' ny governemanta espaniôla, teo amin' ny ony Rio Tinto . Ny mpividy dia nalain' ny mpanankarena mpanana taozava-baventy atao hoe Hugh Matheson (Matheson's Matheson and Company), izay namorona fikambanana natokana ho amin' izany ahitana Deutsche Bank (56 %), ny orinasa Matheson (24 %), sy ny orinasa misahana lalamby atao hoe Clark, Punchard and Company (20 %).

Amin' ny fivarotana ny toeram-pitrandrahana, tamin' ny fotoana feno fikorontanana ara-pôlitika (14 Febroary 1873), efatra andro taorian' ny fananganana ny Repoblikan' i Espaina, ny fikambanana dia nandresy ka nahazo ny toeram-pitrandrahana manontolo amin' ny tamin' ny tolotra mitentina 3,68 tapitrisa pound sterling (92,8 tapitrisa peseta espaniôla), taty aoriana dia naseho fa ambany lavitra noho ny tokony ho vidiny izany[3]. Ny tolotra dia ahitana andininy iray milaza fa ny governemanta espaniôla dia tsy manana ny zo rehetra hitaky ny tamberim-bidy momba ny famokarana eo amin' ilay toeram-pitrandrahana. Fotoana fohy taorian' ny nividianana ilay toeram-pitrandrahana, namorona an' ity orinasa indostrialy antsoina hoe Rio Tinto ity ny sendika (niditra tao amin' ny rejisitry ny orinasa espaniôla tamin' ny 29 Martsa 1873[4].

Lavaka be navelan' ny fitrandrahana nataon' ny orinasa Rio Tinto tamin' ny taona 1980.

Tamin' ny faramparan' ireo taona 1880, ny fianakaviana Rothschild dia nandray ny fanaraha-maso ny orinasa, izay efa nampitombo be dia be ny habetsahan' ny fiasany ny harena ankibon' ny tany trandrahany[4].

Nanomboka teo, dia nitombo sy nanan-karena ny orinasa nandritra ny fisian' ny fanambarana amam-pividianan-karen' orinasa ka nahatonga azy ho lasa isan' ny orinasa matanjaka indrindra eran' izao tontolo izao tsara amin' izao fotoana izao amin' ny famokarana akora isan-karazany, anisan' izany ny viraty, ny vy, ny varahina, ny oraniôma, ny arintany ary ny diamondra[5].

Na dia natokana ho an' ny sehatry ny fitrandrahana mineraly sy ny fitadiavam-bola momba ny metaly aza ny Rio Tinto dia manan-danja ihany koa izy amin' ny fahaiza-manao sy orinasam-panadiovana, indrindra fa ny fanadiovana ny baoksita sy ny akoram-by[6].

(tohiny...)


 Lahatsoratra tsara vakiana

Ankizy mahafaly

Ny Mahafaly dia vondrom-poko ao amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara, eo anelanelan' ny ony Menarandra ao atsimo sy Onilahy ao avaratra no fonenany nentim-paharazana, eo amin' ny lembalemba be sokay sy fasika izay mitondra io anarana Mahafaly io ihany. Malaza amin' ny fahaizana manao sary sokitra ny Mahafaly ka isan' izany ny fanamboarana aloalo izay entiny manaingo ny fasana sy manaja ny razana sy ny mpanjaka maty. I Betioky sy i Ejeda ary i Ampanihy no tanàna ngezangeza ao aminy. Anisan' ny fady amin' ny Mahafaly, toy ny Antandroy koa, ny mihinana sokatra (mahafaly: sokake). Tamin' ny taona 2013 dia tombanana ho 150 000 ny isan' ny Mahafaly[7]. Mpiompy omby sy osy sy ondry ary akoho amam-borona (anisan' izany ny vorontsiloza) ny Mahafaly. Mamboly mangahazo sy voamaina koa ny mponina amin' ny faritra mahafaly.

Heverina ho avy ao amin' ny faritra atsimo-atsinanan' i Afrika ny sasany amin' ny razamben' ny Mahafaly voalohany izay tonga teto amin ' ny Nosy tamin' ny taonjato faha-12. Nanjary malaza izy ireo noho ny fasana lehibe aoriny ho fanomezam-boninahitra ny lehibe sy ny mpanjaka maty.

Miteny mahafaly, izay fitenim-paritra mifanakaiky amin' ny fiteny antandroy, izay fiteny malagasy, sampan' ny vondrom-piteny malaiô-pôlineziana ny Mahafaly.

Ny anarana hoe Mahafaly dia nampiasain' ny Malagasy hafa sy ny vahiny hilazana ireo olona nipetraka amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara, voafaritry ny ony Menarandra sy Onilahy[8]. Ny Mahafaly tenany anefa tsy mampiasa an' io teny io ary tsy milaza azy ireo ho foko tokana, fa aleony manonona ny tenany araka ny firazanana hafa na ara-jeôpôlitika; ny anarana hoe Mahafaly dia tsy misy heviny ho an' ny olona avy amin' io faritra io fa mari-pamantarana napetraky ny avy any ivelany[9]. Ny ankamaroan' ny Mahafaly dia monina amin' ny moron' ny renirano sy ony mamakivaky faritra tena maina[10].

(tohiny...)

 Sarin’ny anio


 Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[]


 Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

 

 

 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 



  1. Rio Tinto Chartbook Archived Jolay 15, 2011 at the Wayback Machine, marsa 2009, Rio Tinto Group, notsidihina tamin'ny 08-04-2009
  2. "Rapport annuel 2008" (PDF). Archived from the original (PDF) on 2016-03-03. Retrieved 2018-04-16.
  3. Huelva Province – Rio Tinto, Andalucia.com, notsidihina tamin'ny 03/03/2009.
  4. 4,0 et 4,1 Charles E. Harvey (1981) ; The Rio Tinto Company: an economic history of a leading international mining concern (Ny orinasa Rio Tinto : tantara ara-toekarenan'ny vondrona mpitrandraka harena an-kibon'ny tany mantanjaka eran-tany), jereo takila faha-188.
  5. Rio Tinto ; Résultats préliminaires 2008 Archived Martsa 27, 2009 at the Wayback Machine.
  6. Our Products; Rio Tinto web site Archived Desambra 13, 2010 at the Wayback Machine, Rio Tinto Group, 2009/04/11
  7. Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge.
  8. Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, p. 149.
  9. Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, pp. 150–51.
  10. Zimmermann, Maurice (1911). "Le pays Mahafaly dans le sud Malgache". Annales de Géographie. 20 (110).
Fiteny