Type a search term to find related articles by LIMS subject matter experts gathered from the most trusted and dynamic collaboration tools in the laboratory informatics industry.
Ny Wi-Fi dia fitambaran'ny protokola izay mifandray tsy misy fehy na "file", izany hoe afaka mampifandray ireo ondy radiô sy ireo informatika : ny solosaina,finday ary ny fitaovana hafa ka tsy mila fampiasana fehy izy io. Misy sata mifehy azy ny wi-fi ka navondrona ao amin'ity IEEE 802.11 (ISO/CEI 8802-11) izany. Nohon'ny tombontsoa azo avy amin'io fitaovana io ny tsirairay dia afaka manorina ny rezô antranony ary azo ampifandraisana amin'ny solosaina maro na vata hafa izany. Ny tekinôlôjia ankehitriny koa dia tena mifantoka amin'ny fampiasana io fitaovana io.
Ny Wi-Fi dia rezô aterineto tsy misy fehy ary azo ampiasain'olona rehetra.
Avy amin'ny teny hoe (Wireless Fidelity) ny hoe wi-fi, izay nodinihina avy amin'ny hoe Hi-Fi (High Fidelity) efa nisy nampiasa io teny io tany amin'ny taona 1932, tamin'ny sehatra zava-maneno.
Nampiasaina tamin'ny sehatra ara-barotra ihany koa ny teny hoe wi-fi, nanomboka ny taona 1999.