Type a search term to find related articles by LIMS subject matter experts gathered from the most trusted and dynamic collaboration tools in the laboratory informatics industry.
Ny rindrankajy fampiharana (amin'ny teny frantsay application informatique, anglisy application software) na hoe fampiharana, amin'ny kajimirindra, dia fandaharana an-kajimirindra (na rindrankajy vory) ampiasain'ny mpampiasa hanatanterahana asa iray, na vorin'asa madinika amin'ny valan'asa iray. Ny mpitety tranonkala izao ohatra dia rindrankajy fampiharana iray; torak'izany koa ireo mpahita aino aman-jery, na ireo lalao video. Mandeha amin'ny alalan'ny mpandrindra milina ny rindrankajy fampiharana ary mampiasa ny fahafaha-mikajin'izy io.
Ny fampiharana malaza amin'ny orinasa dia ny fampiharana am-birao, fanoratan-dahatsoratra, fanaovan-kajy an-tabilao, mpitantam-bokatra, mpitantana asa, fikirakirana tetikasa na koa ny fitantanana taratasy elektronika. Eo anivon'ny fianankaviana, ny malaza dia ny fanisam-bola, tantara, firaketan-tsary, fianarana sy fanabeazana ary ny lalao.