Knowledge Base Wiki

Search for LIMS content across all our Wiki Knowledge Bases.

Type a search term to find related articles by LIMS subject matter experts gathered from the most trusted and dynamic collaboration tools in the laboratory informatics industry.

Sary famantrana ny Reporters Sans Frontières

Ny Reporters Sans Frontières (RSF) na Reporters Without Borders (RWB) dia fikambanana iraisam-pirenena tsy mitady tombony sy tsy miankina amin' ny fitondram-panjakana niorina tamin' ny taona 1985, nekena ho ilain' ny fiainam-bahoaka any Frantsa sady efa misy masoivoho any amin' ny firenena miisa 14 tamin' ny taona 2020. Ny fiarovana ny fahalalahan' ny asa fanaovan-gazety sy ny fiarovana ny loharanom-baovaon' ny mpanao gazety no tanjony.

Amin' ny RSF dia tokony hahazo vaovao ny olona tsirairay, araka ny andininy faha-19 amin' ny Fanambaràna Maneran-Tany momba ny Zon' Olombelona izay mankato ny zo handray sy hizara vaovao na inona na inona sisintaniny, miaraka amin' ny sata iraisam-pirenena maro hafa momba ny zo. Ny RSF dia manana sata fakàn-kevitra ao amin' ny Firenena Mikambana, ao amin' ny UNESCO, ao amin' ny Filankevitr' i Eorôpa, ary ao amin' ny ny Fikambanana Iraisam-Pirenen' ny Frankôfônia. Tamin' ny taona 2005 dia nahazo ny "loka Sakharov" avy amin' ny Antenimiera Eorôpeana ilay fikambanana.