Knowledge Base Wiki

Search for LIMS content across all our Wiki Knowledge Bases.

Type a search term to find related articles by LIMS subject matter experts gathered from the most trusted and dynamic collaboration tools in the laboratory informatics industry.

Ny Askenazy dia iray amin' ireo fizaràna lehiben' ny vahoaka jiosy izay navahana noho ny toerana niaviany sy ny fombam-pivavahana aman-kolontsaina arahiny. Ny vahoaka jiosy maro anisa manampy an' io dia ny Sefarada.

Ny teny hoe Askenazy dia nampiasaina tamin' ny Andro Antenatenany mba hanondroana ny vahoaka jiosy nonina tao Eorôpa Avaratra, avy any Eorôpa Afovoany ka hatrany Eorôpa Atsinanana, ary koa anondroana ny taranany na dia tsy mipetraka amin' ireo faritra ireo aza. Tamin' ny taonjato faha-10 no nampiasana voalohany ny anarana hoe Askenazy hanondroana an' i Alemaina izay nanombohan' ny vondrona jiosy maro niorim-ponenana. Rehefa noroahina sy nenjehina ny Jiosy askenazy dia nifindra fonenana mankany atsinanana, any Pôlônia sy any Litoania ary any Rosia tamin' ny taonjato faha-15 sy faha-16. Maro amin' ny Jiosy askenazy ny nifindra monina any Amerika Avaratra sy any Israely tamin' ny taonjato faha-19 sy faha-20. Miteny amin' ny fiteny jodeô-alemàna atao hoe fiteny idisy ny Askenazy.

Jereo koa