Type a search term to find related articles by LIMS subject matter experts gathered from the most trusted and dynamic collaboration tools in the laboratory informatics industry.
Ny akiho na antsantsa na akio (Selachimorpha) dia hazandrano.[1][2][3][4], trondro an-dranomasina, lava vatana sady matanjaka. Malaza ho masiaka ny antsantsa nefa tsy ny karazana antsantsa rehetra no toy izany fa ny sasany ihany. Ahitana azy ireo ny ranomasimbe rehetra sy ny ony lehibe sasantsasany. Ankehitriny dia miisa any amin' ny 500 ny karazana antsantsa izay voantsinjara ao amin' ny fianakaviana miisa 35, ankoatry ny fay izay heverina ankehitriny fa karazana antsantsa koa.
Miova eo anelanelan' ny 14 sm hatramin' ny 20 m na mihoatra ny halavan' ny antsantsa. Na dia ngeza indrindra aza ny antsantsa trozona (mihoatra ny 20 m) dia ny planktôna no sakafony izay alainy amin' ny alalan' ny fitantavanana ny ranomasina. Ny ankamaroan' ny antsantsa dia mpihaza ary mihinana ny biby an-dranomasina rehetra. Ahitana azy ireo ny ranomasina rehetra hatrany amin' ny 2 500 m any ambany. Tsy dia ahitana azy ireo firy ny ranomamy, nefa misy karazany afaka miaina an-dranomamy koa, dia ilay atao hoe "antsantsan' i Zambezi" (Carcharhinus leucas) sy ny "antsantsan-drenirano" (Glyphis).
Misefo amin' ny alalan' ny esasa mivaky dimy hatramin' ny fito ny antsantsa. Ny nifiny dia maniry amin' ny tandahatra maro izay miongotra sy misolo hatranihatrany. Na dia malaza ho masiaka aza ny antsantsa dia karazany dimy ihany no tena mampidi-doza. Ny iray ampahatelon' ny karazana antsantsa dia tandindomim-paharinganana ankehitriny vokatry ny fanaratoana azy tafahoatra, ny famonoana azy ireo, sns.