Infrastructure tools to support an effective radiation oncology learning health system

Vondrombonin' ny Centranthus ruber

Ny vondrombony dia firafitry ny filaharan' ny vony eo amin' ny tahon-javamaniry mamelana. Ity firafi-pilaharana ity, izay mitovitovy amin' ny fraktaly, dia matetika mampiavaka ny fianakavian-javamaniry iray, ohatra ny an' ny Araceae sy ny an' ny Arecaceae (palmie), hafa koa ny an' ny Umbelliferae (na Apiaceae), ny an' ny Compositae (na Asteraceae).

Sarotra indraindray ny manavaka ny vondrombony amin' ny fehezam-boninkazo mitokana sy miparitaka. a

Ao amin' ny vondrombony dia tsy sarahan' ny ravina amin' izy samy izy ny voninkazo amin' ny ankapobeny.

Iray amin' ny fomba hisarihana ny biby mpamindra vovobony (tantely, lalitra sasany, voangory sasany, vorona sasany, sns) amin' ny alalan' ny fivondronana asehony ny vondrombony. Ity fitangoronam-boninkazo ity amin' ny ankapobeny dia mampitombo ny tahan' ny fitsidihana ataon' ny biby mpamindra vovobony sy ny fahasamihafan' izy ireo, satria mora hita kokoa sy mora ipetrahana kokoa ho an' ireo biby ireo. Ankoatra izany dia maka tahaka ny endriky ny voninkazo lehibe anantenana valisoa kokoa (mamimbony, vovobony) ny vondrombony.

Jereo koa