Effects of the storage conditions on the stability of natural and synthetic cannabis in biological matrices for forensic toxicology analysis: An update from the literature
Sommaire
Ny isan'ny mponina dia ny fitambaran' ny isan' ny olona:
- miaina ao amin' ny fizaràn-tany iray (tanàna, faritany, firenena, kôntinenta, tontolo).
- mahazo alalana ôfisialy hiaina eo amin' ny fizaràn-tany iray.
Ny olana mahakasika ny isan' ny mponina dia dinihina ao amin' ny demôgrafia na siansa mahakasika ny mponina. Dinihana amin' ny sôsiôlôjia, amin' ny ekônômia ary amin' ny jeôgrafia ny fihetsiky ny olombelona. Matetika ampiasaina amin' ny marketing ny tahirin-kevitra demôgrafika.
Tamin' ny taona 2006, ny fitombon' ny isan' ny mponina erak' izao tontolo izao dia 1,14% monja.
Isan' ny mponina eran' izao tontolo izao
Araka ny kôntinenta
Kôntinenta | Isan' ny mponina | Isanjaton' ny isan' ny mponina |
---|---|---|
Azia | 4 030 000 000 | 60,5 % |
Afrika | 965 000 000 | 14,0 % |
Eorôpa | 731 000 000 | 11,3 % |
Amerika Latina sy Karaiba | 572 000 000 | 8,6 % |
Amerika Avaratra | 339 000 000 | 5,1 % |
Ôseania | 34 000 000 | 0,5 % |
Ny 18,3 %n' ny isan' ny mponina eto an-tany no mipetraka eny amin' ny firenena mandroso, ary 81,7 % mipetraka eny amin' ny firenena andalam-pandrosoana.
Fivoaran' ny isan' ny mponina araka ny fandrosoan' ny taona
Vinavinaina ihany ny habetsaky ny olona eto an-tany. Ho an' ny isan' ny mponina talohan' ny taonjato faha 19, vinavinaina ny hakitroky ny mponina amin' ny alalan'n y taham-pamokaran' ny tany volena.
Tanaty lahatsoratra iray tamin' ny taona 1995 (nohavaozina tamin' ny 2002), ny demôgrafista Carl Haud avy amin' ny Biraom-panisan' i Etazonia, dia naminavina fa 106 lavitrisa ny olona niaina teto an-tany.
Ny faminavinana ny isan' ny mponina araka ny fandrosoan' ny taona dia mifototra amin' ny fandravonana navoakan' ny Biraom-panisan' i Etazonia ho an' ny fe-potoanna manomboka amin' ny taona -10 000 hatramin' ny taona 1940. Ny fandalinan' i Gregory Cochran mahakasikan' ny ADN ara-mitôkôndria dia ahafahana maminavina ny isan' ny mponina amin' ny taona mbola talohan' ny taona -10 000.
Rehefa dinihina akaiky ny isan' ny mponina, dia hita fa ambany ny fiitomboany, nandritry ny taonarivo maro dia maro. Tamin' ny fotoana môderina ny isan' ny mponina no nanomboka niitatra: 650 tapitrisa tamin' ny 1750, lasa 1,2 lavitrisa izy zato taona taoriana, ary 2,5 lavitrisa tamin' ny taona 1950.
Tratra tamin' ny volana Ôktôbra tamin' ny 1999 ny iszn' ny mponina enina lavitrisa.
Tantara
Noho ny voina lehibe nitranga (jereo ny voin' i Toba) tamin' ny taona faha-70 000 tal. J. K., nihavitsy ny mponina teto an-tany. Taorian' io voina io hatramin' ny fampitomboana ny fambolena, vinavinaina eo amin' ny iray tapitrisa eo ho eo ny isan' ny mponina miaina eran' izao tontolo izao. Ireo olona ireo talohan' ny fampitomboana ny fambolena, dia mitady sakafo amin' ny alalan' ny fihazana sy ny fiotiana. Rehefa kely ny hakitroky ny mponina dia mbola mahafeno ny kibo ny fiotiana sy ny fihazana. Nitombo ny isan' ny mponina nandritay ny taonarivo faha-7 tal. J.K. hatramin' ny taonjato faha 4 : 55 tapitrisa tany ho any ny isan' ny mponina Tao amin' ny Empira Rômana. Taorian' ny fanonganana ny Empira Rômana tamin' ny taonjato fahadimy dia nijanona ny fitombon' ny isan' ny mponina. Noho ny aretina atao hoe pestan' i Jostiniana tamin' ny taona 540, nidina ny isan' ny mponina tao amin' ny Empira Rômana Atsinanana (Empira Bizantina). Io pestan' i Jostiniana io dia pesta nahavono olona indrindra tao Eorôpa alohan' ny pesta mainty valonjato taona taty aoriana.
Isan' ny mponina amin' ny firenena be mponina indrindra
Firenena ambony hakitroka
Laharana | Firenena/Faritany | Isan'ny mponina | Velarantany (km2) | Hakitroka (i.-p. / km2) | Tsiahy |
---|---|---|---|---|---|
1 | Monako | 32 719 | 1.95 | 16 779 | [1] |
2 | Singapaoro | 4 620 657 | 707,1 | 6 535 | |
3 | Endrika:Country data Vatican Vatikana | 824 | 0.44 | 1 873 | [2] |
4 | Endrika:Country data Maldives Maldiva | 385 375 | 298 | 1 293 | |
5 | Malta | 404 032 | 316 | 1 279 | |
6 | Endrika:Country data Bahrain Baharainy | 723,967 | 665 | 1,089 | [3] |
7 | Bangladesa | 157 813 124 | 147 570 | 1 069 | [4] |
8 | Endrika:Country data Palestinian territories Tany palestiniana | 4 223 760 | 6 020 | 702 | |
9 | Naoro | 13 918 | 21 | 663 | |
10 | Endrika:Country data Taiwan Taiwan | 22 955 395 | 36 190 | 634 | [2] |
Laharana | Firenena | Isam-ponina | Velarantany (km2) | Hakitroka (i.-p./km2) | Tsiahy |
---|---|---|---|---|---|
1 | Endrika:Country data India India | 1 190 720 000 | 3 287 240 | 362 | Taham-piitarana ambony |
2 | Bangladesa | 157 813 124 | 143 998 | 1 069 | Taham-piitarana ambony be |
3 | Japana | 127 170 110 | 377 873 | 337 | Taham-piitarana miiba |
4 | Endrika:Country data Philippines Filipina | 93 843 460 | 300 076 | 313 | Taham-piitarana ambony be |
5 | Endrika:Country data Vietnam Vietnam | 85 789 573 | 331 689 | 259 | Isam-ponina miitatra |
6 | Fanjakana Mitambatra | 62 041 708 | 243 610 | 255 | Isam-ponina ambany fiitarana |
7 | Korea Atsimo | 49 354 980 | 99 538 | 493 | Isam-ponina ambany fiitarana |
8 | Endrika:Country data Taiwan Taiwan | 22 955 395 | 35,980 | 639 | Isam-ponina ambany fiitarana |
9 | Sri Lanka | 20 238 000 | 65 610 | 309 | Taham-piitarana ambony |
10 | Endrika:Country data Netherlands Nederlanda | 16 630 000 | 41 526 | 400 | Isam-ponina ambany fiitarana |
Fiitatra
Samihafa araka ny kôntinenta ny fiitatry ny isan' ny mponina. Ny isan' ny mponin' Azia izao dia nahazo 237 tapitrisa tanenalenan' ny taona 2000 hatramin' ny taona 2005.
Tamin' ny taonjato faha roapolo, niitatra be mihitsy ny isan' ny mponina noho ny fihatsaran' ny fitsaboana sy ny fandrosoan' ny siansa sy ny teknôlôjia amin' ny lafin' ny fitsaboana, miaraka amin' ny fihabetsahan' ny vokatry ny saha.
Tamin' ny 2000 ny Firenena Mikambana dia naminavina ny taham-piitaran' ny isan' ny mponina ho 1,14 % ary isan-taona ( mponina +75 tapitrisa). Ny isan' ny mponina tamin' ny taona roa arivo dia im-polon' ny isan' ny mponin' ny tany tamin' ny taona 1700. Araka ny nambaran' ny CIA World Factbooks miampy 211 090 eo ho eo ny isan' ny mponina isan' andro tamin' ny taona 2000 ary 220 980 tamin' ny taona 2009.
Amin' ny ankapobeny, nidina ny taham-pitomboan' ny mponina manerana ny tany, afa-tsy ny any amin' ny faritr' i Afrika atsimon' i Sahara, any Amerika Latina ary any Azia Andrefana.
Demôgrafia
Jereo koa
Rohy ivelany
- ((en)) World Population Prospects, the 2008 Revision Archived Martsa 17, 2011 at the Wayback Machine (United Nations Population Division).
- ((en)) World population statistics presented in a treemap interface
- ((en)) World Population Map, Statistical Graph Archived Jolay 15, 2011 at the Wayback Machine
- ((en)) Year-by-Year World Population Estimates: 10,000 BC to AD 2007. Archived Desambra 29, 2010 at the Wayback Machine
Tsiahy
|